• Cours de change
  • 5253.35 AR
  • |
  • $4543.4 AR
Copyright Image : © Primature
Image
Vaovao

African Risk Capacity : Nahafahana nanangana fotodrafitrasa maharitra maro isan-karazany

19/12/2025 15:51 © Moov

Efa tena misitraka ny tombontsoa azo avy amin’ny fiantohana « African Risk Capacity » i Madagasikara. Vahaolana maharitra izy io, manoloana ny fahabetsahan’ny rivo-doza sy tondradrano mianjady amin’ny faritra maro eto Madagasikara, indrindra any amin’ny ilany atsinanana sy atsimo antsinanan’ny Nosy.

Efitrano fianarana maharitra

Rehefa fotoan’ny rivodoza dia ahitana fahasimbana, matetika, ny efitrano fianaran’ny mpianatra, indrindra ny sekolim-panjakana. Tamin’ny alalan’ny fampiasana ity onitra ity dia efa maro ireo efitrano maharitra namboarina, sy natolotra ny olona eny ifotony. Ahitana izany avokoa ny ao amin’ny faritra Vatovavy, Fitovinany ary Atsimo Atsinanana. Miisa 2 ny ao amin'ny EPP Andranomaitso, ZAP Antaretra Distrika Ifanadiana ; 2 ao amin'ny EPP Antanambao, ZAP Antsenavolo Distrika Mananjary ; 2 ao amin'ny CEG Fenoarivo, ZAP Ambahy, Distrikan'i Nosy Varika ary 2 ao amin'ny Lisea Ambahy, ZAP Ambahy Distrikan'i Nosy Varika.
Ankoatra ny efitrano fianarana dia notolorana seza sy latabatra fianarana dimy amby roapolo (25) isaky ny efitra ny sekoly, ary seza sy latabatra ho an'ny mpampianatra ihany koa. Ireo efitrano roa amby roapolo (22) ambiny kosa dia ho atolotra miandalana.

Trano fialofana ho an’ny mponina

Ankoatra ny sekoly dia mitondra takaitra tahaka izany, ihany koa ny trano fonenana. Ho fitsinjovana ireo, izay mety iharan’izany dia natsangana ny trano fialofana iombonana, ho an’ny fampiasana marolafy (Abri Communautaire à Usage Multiple # ACUM)
Natao hampihenana ny tahan'ny fahafatesana raha misy voina izy io, sy hanamafisana ny fiarovana ara-tsakafo, ary hanamorana ny fandrindrana ny asa vonjy taitra. Mandritra ny loza, izy io dia mahazaka olona hatramin’ny arivo (1.000). Amin’ny fotoana tsy misy voina kosa dia afaka ampiasaina ho trano fitahirizana sy fametrahana mialoha ny vokatra, satria afaka mitahiry hatramin’ny 1 635 taonina.

Fanatsarana fotodrafitrasa efa misy

Ankoatra ny fanarenana dia natao hanatsarana ihany koa ity onitra ity. Hahafahana miatrika ireo loza samihafa, dia vononina ny fotodrafitrasa, mba hampihenana ny fiantraikany. Mbola marefo rahateo ny ankamaroan’ny trano fonenana nentim-paharazana, ka maro ireo mbola rava rehefa handalovan'ny rivo-doza. Misy amin’izy ireo no mbola tsy tafarina, amin’izao fotoana izao.
Ho setrin’izany, dia nanamboatra trano fonenana nentim-paharazana nohatsaraina, natao hanamafisana ny fiarovana ny mponina sy hampihenana ny fahaverezan-javatra mandritra sy aorian’ny voina. Trano 50 isaky ny kaominina Tangainony (Distrikan'i Farafangana), Kaominina Vohitrindry (Distrikan'i Vohipeno) ary kaominina Ambila ( Distrikan'i Manakara). Naorina tamin'ny alalan'ny onitra azo avy amin'ny Fiantohana ARC. Natolotra tamin'ny fomba ofisialy tamin'ity herinandro ity ny tao amin’ny Distrikan'i Farafangana sy Vohipeno Manakara, raha mbola andalam-pamitana ny amin’ny Distrikan'i Ifanadiana sy Mananjary.
Marihina fa fiaraha-miasan’ny “Cellule de Prévention et Gestion des Urgences” (CPGU) eo anivon'ny Primatiora sy ny Ministera misahana ny fanajariana ny tany sy ny fananantany, ary ny tompon'andraikitra teny ifotony rehetra, izany asa izany.

Lire la suite

Articles Similaires